- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Ankizivavy kely hita faty tanaty lavadrano

Ivato : Ankizivavy kely hita faty tanaty lavadrano

Zava-doza no niseho tetsy Anjomakely, Ivato, ny sabotsy lasa teo. Ankizivavy kely vao efa-taona monja no hita faty tao anaty lavadrano, tsy lavitra ny toeram-ponenany. Ireo ankizy nilalao nanandrify ity lavaka nisehoana loza ity no sendra nahita ny vatana mangatsiakan’ity tovovavy kely ity, efa tsy nisy  aina intsony, nitsingevana tao anaty rano. Teo vao nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, niaraka tamin’ny ray aman-drenin’ilay zaza; izay tsy nahalala n’inona n’inona akory. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana, dia mbola tsy fantatra mazava izay antony nahafaty ity ankizikely vao efa-taona monja ity. Mipetraka ny fanontaniana : nisy nanosika ve sa nisolifatra ka nianjera tao ? Raha ny fantatra mantsy dia toa tsy misarona akory ity lava-drano ity. Na izany na tsy izany, dia efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro ny filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser