- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Ankizivavy nandositra ny tranony tratra tao anaty hotely lehibe iray

Ivato : Ankizivavy nandositra ny tranony tratra tao anaty hotely lehibe iray

Niala tao an-tranony ity zazavavy tsy ampy taona iray mba hamonjy lanonana fitsingerenan’ny taona nahaterahan’ny namany. Tsy hita izy taorian’izay raha tsy tao amin’ny hotely lehibe iray tao Ivato. Nanao ny fikarohana rehetra ny fianakaviany ka izay no nahafantarana fa tany Ivato no nisy ilay fety. Hita tao tokoa izy, miaraka amin’ny tanora maromaro izay samy miboridandridana avokoa satria nanao filomanosana. Izany teo ihany fa kosa nanomboka tamin’ny nangalany ny akanjony tany anaty efitranon’ny hotely rehefa nalaina teny an-toerana izy, no nitarika ny ahiahy rehetra. Voalohany dia ankizy nitsoaka izy ary tsy hita raha tsy tao amin’ny hotely. Faharoa, ny tsy fisian’ny fanomezan-dalana avy amin’ny ray aman-dreniny dia midika fa ny tompon’ny hotely no tompon’andraikitra voalohany tamin’izay mety ho nanjo azy. Fahatelo, raha araka ny fehezan-dalàna velona eto amintsika dia tompon’andraikitra tanteraka ny mpitantana ny hotely raha toa ka sendra nisy endrika fivarotan-tena na fanerena hivaro-tena ilay ankizy tao amin’io toerana io. Izany rehetra izany dia mendrika ny hanokafan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana satria tsy fantatra intsony izay mety ho nitranga tao. Ary raha toa ka samy tsy ampy taona aza, raha izay tokoa, ny olona tao, ka voaporofo fotsiny ny fisian’ny firaisana ara-nofo tamin’ireo samy tanora dia hiitatra ny raharaha. Rehefa be taona fotsiny mantsy ny iray amin’ireo ankizy, indrindra fa lehilahy, dia efa azo anofakana fanadihadiana ny tenany. Ankoatra izay dia fantatra ankehitriny fa mitombo ny fihoaram-pefy ataon’ny zaza tsy ampy taona amin’izao vanim-potoan’ny fialan-tsasatra izao. Maro ireo mitsoaka ny tranony ary mizotra any amin’ny fivarotan-tena, rehefa tarihin’ny namany izay matetika dia misy olon-dehibe ao ambadiny. Tsy misy afa-tsy ny ray aman-dreny no afaka manara-maso ny zanaka, indrindra raha vavikely, mba tsy hirodana any amin’ny mety ho fanararaotan’ny sasany azy. Iaraha-mahita fa isan’ny miroborobo eo anivon’ny tany mahantra ary misarika ny vahiny aza mba hankao aminy ny fivarotan-tena, izay miseho amin’ny endrika maro, ataon’ny tanora. Ao anatin’izany ihany koa ny zaza tsy ampy taona.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici