Fifidianana no adidy farany nataony dia namoy ny ainy izy. Lehilahy lehibe iray, 66 taona, no niharan’ny fahafatesana tampoka omaly. Raha ny fantatra dia nitambotsitra izy, fotoana fohy taorian’ny nanatontosany fifidianana. Nianjera ary nivoaka rà ny orony. Nantsoina ny havany, izay avy lavitra satria tany amin’ny làlana Imerintsiatosika. Ireo no nitondra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana teto an-drenivohitra. Efa tsy niaina intsony ilay rangahy mandram-pahatongany tany, raha araka ny vaovao azo. Hatreto dia heverina ho fihetsehampo no nitarika ny fahafatesany. Telo herinandro talohan’io mantsy izy dia efa nitaraina ho marary tratra, eo amin’ny faritra ankavia, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny toeram-pitsaboana hatrany. Nihatsara indray anefa ny toe-pahasalamany taorian’io hany ka tsy dia nisy nieritreri-dratsy intsony ny olona akaiky azy. Kinanjo io nanao krizy tampoka io ary dia niafara tamin’ny fahafatesana izany. Sady lavitra ny misy ny toeram-pitsaboana no lavitra ihany koa ny nisy ny olona afaka namonjy. Izay noheverina fa isan’ny naha-taraiky ny fahatongavany teny amin’ny hopitaly. Amin’ny lafiny iray koa, tokony mba any amin’ny toerana lavitra no hifantohan’ireny toeram-pitsaboana tsy miankina ireny. Izany dia mba hanamoràna ny famonjena ain’olona any ambanivohitra. Diso ny fiheverena fa ny olona any dia tsy manana ny enti-manana hamonjena ny toerana toa ireny. Vokatr’izany dia lasa mivangongo eto an-drenivohitra fotsiny izy ireo, nefa ny any ambanivolo no isan’ny tena mila toeram-pitsaboana tsy miankina noho ny halavirana.
D.R