Olona enina no voarohirohy tamin’ilay resaka famonoana feno habibiana nitranga tetsy Ivato ny alarobia 6 janoary lasa teo. Ny sabotsy lasa teo izy ireo no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana.
Saika ireo olona manodidina ity ramatoa ity avokoa ireo olona ireo, hoy ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitry ny zandary teny an-toerana. Ny efatra tamin’izy ireo no nahazo fahafahana vonjimaika, ny olona roa kosa naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany. Anisan’izany ny mpanampin’ilay ramatoa hita faty, izay araka ny fanazavana azo hatrany dia karazan’ny tanan-kavanan’ity farany mihitsy. Mpiambina tananan’olona eo ankilan’ilay trano nitrangan’ity heloka bevava ity kosa ny iray. “Tsy mijanona hatreo ny fanadihadiana, hoy hatrany ity tompon’andraikitry ny zandary ity. Mbola misy olona karohina fatratra any, izay tsy iza fa ny mpiambina an’ilay tanàna nahitana ilay razana”. Hatreto tokoa mantsy raha ny fantatra hatrany dia tsy mbola hita tany nanjavonana ity lehilahy ity, izay sokajian’ireo mpanao fanadihadiana ho atidoha nikotrika ilay famonoana. “Tsy misy antony tokony handosirany sy hiafenany mantsy, raha olo-marina izy”. Tsiahivina fa mipetra-drery ary tonga vao haingana avy any ampitandranomasina ity ramatoa novonoina ity. Tamin’ny fomba mahatsiravina no nanaovana izany, satria dia nokapaina tamin’ny famaky ny lohany ary avy eo mbola novelesina tamin’ny fanoto ny hatony. Vola betsaka sy entana sarobidy maromaro no lasan’izay tompon’antoka tamin’io fotoana io. Ilay vehivavy mpanampy azy sy tanan-kavany kosa no nampiantso ny zandary rehefa nilaza fa nahamarika zavatra hafahafa tao amin’ilay tanàna : ny tsy fisian’ny olona sy ny nahitany rà nikoriana avy ao amina efitra iray tao an-toerana.
m.L