- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Fanafihana mpitam-bola , nisy kalachnikov tratra

Ivato : Fanafihana mpitam-bola , nisy kalachnikov tratra

Misy fivoarany ny fanadihadiana ilay raharaha mahakasika ny fitifirana ny mpitam-bolan’ny fiangonana FLM, tetsy Ambohibao. Ankoatra ny fisian’ny olona dimy izay voasambotra, dia fantatra koa izao fa nisy fitaovam-piadiana sarona. Tsy nanambara ankoatr’izay ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, mba ho fanajana ny tsiambaratelon’ny famotorana. Raha tsiahivina ,dia herinandro lasa izay, ny alahady, no niseho ity fanafihana mitam-piadiana izay niafara tamin’ny fahafatesan’ny mpitam-bolan’ny FLM ity. Ny ampitson’iny ihany dia efa nisy olona iray voasambotra ary andro vitsivitsy taty aoriana, dia tafakatra dimy no natao fanadihadiana. Nitohy ihany izany, ka izao tonga tamin’ny fahitana basy izao. Raha araka ny re, dia hisy fihaonan’ny tompon’andraikitry ny filaminana sy ny mpanao gazety anio, mba hanazavana misimisy kokoa ny momba ity raharaha ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser