- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Fatim-behivavy mifatotra tao anaty trano may

Ivato : Fatim-behivavy mifatotra tao anaty trano may

Omaly antoandro tokony ho tamin’ny 12 ora, nisahotaka ny teny amin’ny faritra faha-6 eny Itrimo Ivato. Nirehitra ny trano iray ary dia samy niezaka ny fokonolona nandeha namono afo. Araka ny loharanom-baovao, tsy dia sarotra ny nandresy ny afo. Akory anefa ny hagagan’ny rehetra nahita fatim-behivavy iray tao an-trano. Rehefa nojerena akaiky, nifatotra nairaka ny tongotra sy ny tanany ary natao tany aoriana. Tsy vitan’izany fa nisy tady ihany koa teo amin’ny tendany. Efa tsy tsy nisy aina intsony ity olona ity. Soa ihany aloha fa tsy main’ny afo nandoroana ny trano izy. Ny vaovao voaray hatrany no nahafantarana fa mpanampy ao amin’io trano io ity vehivavy ity. Eo anelanelan’ny 18 taona ka hatrany amin’ny 20 taona eo. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa tsy tao an-trano ireo mpampiasa azy fa tany ivelany. Tombanan’ny mpanao famotorana araka izany fa nisy andian-jiolahy tonga nandroba tao. Rehefa azony izay rehetra nilainy dia ankeviny nampijaliany io mpanampy io. Voalaza mantsy fa nisy entana maromaro very. Ka raha vao nahafantatra ry zalahy fa maty ilay olona dia izao nanaovany sarinady izao. Nodorany ny trano ary nihevitra izy ireo fa ho may ao ilay vehivavy. Tsy izany anefa no nisy fa raha vao nahita ny firehetana ny manodidina dia tonga namonjy avokoa, hoy hatrany ny vaovoa voaray. Efa nampilazana moa ny tompon’ny trano. Etsy andaniny, misokatra ny fanadihadiana atoan’ny mpitandro filaminana eny an-toerana. Hatramin’zao aloha, tsy mbola nisy voasambotra mikasika ity voanoan’olona ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser