- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversIvato : Fatin’olona misy ratra hita teo amodron-drano

Ivato : Fatin’olona misy ratra hita teo amodron-drano

Ny mpandalo vao maraina tamin’ny moron-drano manakaiky ny “soute à bombe” etsy Ivato no nahita ny razana. Misy dian-dratra ny lohany havia sy ny tratrany. Ireo no nampandre ny tompon’andraikitry ny fokontany izay niantso ny mpitandro ny filaminana sy ny dokotera mpijirika faty. Raha ny tomban’ny manam-pahaizana dia ny zoma alina hifoha asabotsy no nahafaty ilay lehilahy manodidina ny 30 ka hatramin’ny 40 taona. Ny vinavinan’ny mpitandro ny filaminana dia mety ho niharan’ny lozam-pifamoivoizana izy. Koa satria tao anatin’ny haizina izany dia nitsiry ny hevi-dratsin’ny tao anaty fiara izay nanisaka ny fatiny teo amoron-drano mba tsy hisy hahita firy. Tombatombana hatrany anefa izany satria nisy ratra ilay olona ary tsy maintsy hanokafana fanadihadiana ny momba ny nahafaty azy. Na izany aza mitady ho lasa fomba fanaon’ny mpitondra fiara ity mitsoaka andraikitra ity rehefa mitranga ny lozam-pifamoivoizana, indrindra raha tsy nisy nahita sy tao anatin’ny haizina. Ny ankamaroan’ny mpanao ratsy aloha dia mba tratra ihany saingy mila ny faharanitan-tsain’ny mpanao fanadihadiana izany noho ny tsy fisian’ny teknolojia toa ny fanaraha-maso ny toerana avy amin’ny “camera de surveillance”. Tsy maintsy miainga amin’ny olona eo amin’ny manodidina hatrany ny fanadihadiana satria na ny mpamosavy mandeha alina aza misy mahita, araka ny fiteny. Efa nisy ny tranga toa izany, nihevitra ny tsy ho tratra mihitsy ilay fiara nandona kinanjo nisy marika kely hita teo amin’ny toerana izay mifandraika amin’ny lokony fiara. Niainga teo ny fikarohana ary dia hita ihany na dia efa nafenina tsara tany anaty garazy ary efa namboamboarina sy novaina ny loko. Eto amintsika no isan’ny mandoa vola be indrindra ny mpampiasa làlana. Eo ny fiantohana, ny fitsirihana ara-teknika, ny hetra alaina amin’ny solika, ny saran’ny fangatahana laharan’ny fiara na fanovàna anarana. Rehefa mitranga anefa ny loza, toa tsy mba misy tamberin’andraikitra firy ireo sehatra rehetra nandoavam-bola fa lasa mizaka irery hatrany ny tompon’ny fiara. Mila dinihina ihany satria lasa mahatonga ny olona mety ho mitsoaka andraikira izany rehefa misy lozam-pifamoivoizana. Mba farafaraharatsiny mba asiana ireny “camera de surveillance” ireny ny làlana mba hahafahana manampy amin’ny fanadihadiana rehefa misy ny tranga.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici