Fiarabe iray indray no namoa-doza teny amin’iny faritra Maibahoaka Ivato iny omaly atoandro. Rehefa avy nikivalavala sy nifaoka mpandeha tongotra, vehivavy niaraka tamin’ny zanany, dia nifatratra tamina tambohon’olona nony avy eo. Vokany, maty tsy tra-drano ilay vehivavy voafaoka no sady voahitsaka, ilay zaza kosa voalaza fa avotra soa aman-tsara. Tonga haingana teny an-toerana ny mpitandro filaminana misahana iny faritra iny, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanantanteraka ny fanadihadiana. Araka ny angom-baovao azo dia voalaza fa tapaka hisatra ilay fiarabe ary tsy tanan’ny mpamily intsony ka dia io namoa-doza io. Nandray ny andraikiny avy hatrany moa ny teo anivon’ny Ivon-toerana fitsaràna fiarakodia, rehefa fantatra fa olana ara-teknika no nahatonga ny loza. Nambaran’izy ireo, taorian’ny fampitahana ny tahirin-kevitra eletronika teo am-pelan-tanan’izy ireo fa efa lany tamin’ny 25 desambatra 2019 ny fe-potoanan’ny « visite technique » an’ilay fiara. Notanana natao famotorana avy hatrany moa ny mpamilin’ny fiara ary inoana fa tsy maintsy hiharan’izany ihany koa ny tompon’ny fiara. Ny eo anivon’ny Foibe fitsaràna fiara dia tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay « mba tsy hiandry loza vao manao fitsirihana ara-teknika mba ho fiarovana amin’ny loza mety hitranga ».
nangonin’i m.L