- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Fiaramanidina diso fipetrahana, nandona « antenne »

Ivato : Fiaramanidina diso fipetrahana, nandona « antenne »

Ny sabotsy hariva lasa teo, fiaramanidina iray, an’ny kômpania Turkish Airlines no diso fipetrahana, ka nandona “antenne” teny Ivato. Tsy nisy anefa ny aina nafoy na ny naratra. Ilay fiaramanidina no nahitana fahasimbana. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia avy any Istambul, Tiorkia izy io ary tokony hipetraka teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato, io hariva io. Somary lasa aloha loatra anefa ny fipetrahany ka voadonan’ny kodiarana havia tamin’izany io “antenne equaliseur” io. Tsy te hanakorontana ireo mpandeha anefa ny mpanamory ary niezaka hatrany ny hametraka ity fiaramanidina ity am-pitoniana. Tafapetraka soa aman-tsara ihany izany nony farany Taorian’izay vao nambaran’ny mpanamory tamin’ireo mpandeha fa nandona zavatra izy ireo teo am-pidinana. Rehefa nojeren’ireo tompon’andraikitra dia fantatra fa nahitana fahasimbàna ity boeing ity. Vaky tamin’izany ilay kodiarana nandona ilay zava-maranitra. Tetsy andanin’izay, araka ny fampitam-baovao hatrany dia simba ihany koa moa ity “antenne” voadona ity. Amin’ny lozam-piaramanidina toy izao dia tsy maintsy misy ny dingana isan-tsokajiny arahina ataon’ireo tompon’andraikitra. Mbola tafajonana eo amin’ny “tarmac” araka izany ity fiaramanidina ity fa tsy afaka mihetsika, mandra-piandry izay dingana hatao izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici