- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Fiaramanidina nitrosina teo am-pahatongavana

Ivato : Fiaramanidina nitrosina teo am-pahatongavana

Nisehoana lozam-piaramanidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly, tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro teo. Fiaramanidina kely iray, an’i Aeroclub Ivato no potika teo am-pahatongavana. Tsy nisy naninona kosa ireo olona roa tao anatiny. Araka ny fanazavàna azo, dia olana ara-teknika nihatra tamin’ity fiaramanidina kely ity teny am-pisidinana teny no antony ity loza ity. Voatery, nandray fepetra ny hamonjy hipetraka araka izany ireo mpanamory tao anatiny. Tsy nahazo ny « piste » tokony hipetrahany izy ireo, antony nahatonga ny fahasimbana tanteraka teo amin’ilay fiaramanidina kely. Velona aina soa aman-tsara ireo olona tao anatiny, izay araka ny fantatra hatrany dia mbola mpianatra manamory ny iray ary mpampianatra kosa ny iray. Araka izany dia sidina fianarana manamory fiaramanidina izy io. Amin’ny trangana lozam-piaramanidina toa itony moa dia tsy maintsy misy ny fanadihadiana lalina ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, mba hisorohana ny fiverenan’ny loza indray.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici