Dia tsy mitsahatra miteraka resabe ity trangana fampihorohoroana mamely ny faritr’Ivato sy ny manodidina ity. Araka ny fantatra teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, miandraikitra iny faritra iny, mahakasika ilay resaka fivelezana olona amin’ny hazo, dia fantatra izao fa olona iray, tovolahy manodidina ny 20 taona eo ho eo, no notanana sy anaovana fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny zandary. Araka ny fanazavana azo, dia ny sabotsy hariva teo izy no voasambotry ny fokonolona ary naterina avy hatreny teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Voarohirohy ho isan’ireo olona mpively amin’ny hazo ity tovolahy, hary saina tanteraka sy matanja-belona ity, raha ny fantatra hatrany. Araka ny nambaran’ireo mpanao fanadihadiana hatrany dia nisy mpitandro filaminana iray, nilaza fa voadoraka ihany koa. Io ilay olona fanintelony, niharan’ny daroka teny amin’iny faritra Ivato iny. Ity olona niharan’ny herisetra fanintelony, voaray teo anivon’ny zandary ity no toa hoe nanamarina fa io olona voasambotra io mihitsy no namely azy, raha ity farany teny ambony môtô, ny alin’ny sabotsy 09 may lasa teo. Tena ity lehilahy voatazona eny amin’ny tobin’ny zandary ity tokoa ary ve ilay “mpively bois rond misy fantsika”? Na izy na tsy izy aloha dia efa nisy ny fepetra noraisin’ireo zandary teny an-toerana ho fiarovana ny ain’ity olona ity. Efa romotra tanteraka mantsy ny olona ary miaina ao anatin’ny fitaintainan-dava eny amin’iny faritra Ivato sy ny manodidina iny, ka mba ho fisorohana ny fitsaram-bahoaka mety hisy no anton’izay fandraisana fepetra izay. Raha ny fantatra hatrany moa dia anio no hatolotra ny mpitsara mpanao famotorana ity lehilahy ity. Raha tsiahivina sy araka ny loharanom-baovao avy amin’ny zandary, dia mbola ireo tranga telo ireo ihany aloha no voamarina sy eo am-pelantanan’izy ireo hatramin’izao. Raha ny resaka miely (sa iniana haely) mantsy dia toa hoe efa marobe ireo niharan’ity herisetra, vely hazobe amin’ny andro alina ity : maro araka izany ny naratra mafy ary toa hoe nisy mihitsy ny namoy ny ainy. Tranga izay mbola tsy nohamarin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, izay manohy ny fanadihadiana sy ny fitandroana ny fandriahampahalemana hatreto.
m.L


