Efa marobe ireo olona no nitangorona teo amin’ny arabe, saika hanmpatra ny hatezerany tamin’azy roalahy ireto. Saingy soa ihany fa voasoroka mialoha izany noho ny fahatongavan’ny zandary. Na izany aza, efa voafatotra sy voadarok’ireo mpisambotra ihany izy ireo talohan’izay.
Ny alin’ny zoma lasa teo dia nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokatrano iray tetsy Ivato. Dimy lahy tsy nisaron-tava izy ireo niditra an-keriny tao amin’io trano io, rehefa avy nandratra ny mpiambina, tamin’ny zava-maranitra teny amin’izy ireo. Marihana fa antsy sy basy kilalao no nentin’ireto tsy valahara nanao ny asa ratsiny tamin’io fotoana io. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola 10 tapitrisa ariary niaraka tamin’ny finday avo lenta miisa telo. Tao anatin’izay anefa, afaka niantso vonjy ny tompon-trano. Voatohitra ny anankiroa ary azo sambom-belona, tafatsoaka kosa ireo namany telolahy. Tao anatin’ny fisamborana azy roalahy ireto no efa niainga ny daroka sy vono ary norohizana tady hivoaka ny trano izy ireo, saika alefa ho eny am-pelan-tanan’ireo fokonolona efa romotra teo ivelany. Tonga haingana anefa ireo zandary, rehefa nahalala ny zava-nisy ary niezaka nisakana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka tamin’izany.
Nentina notsaboina izy roalahy ireto ary nanaovana famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary nony avy eo. Ary tao anatin’izay no nanoron’izy ireo ireo namany sy ireo mpiray tsikombakomba ary ati-doha niketrika ity fanafihana ity. Niroso tamin’ny fisamborana azy ireo ny zandary, tao amin’ny kartié K3 tao Ivato : olona miisa enina. Mbola misy ny naman’izy ireo, izay efa eo an-dalam-pikarohana, hoy hatrany ny vaovao. Notanana natao andrimaso tao amin’ny tobin’ny zandary tany an-toerana moa izy valolahy ireto, miandry ny fanolorana azy iroe eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L