- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Jiolahy mpamerin-keloka voasamotra

Ivato : Jiolahy mpamerin-keloka voasamotra

Voaporofo indray omaly ny fahaiza-manaon’ireo zandary eo amin’ny fikarohana ireo jiolahy fanetriben’ny firenena noho ny asa ratsin’izy ireo. Mpangalatra iray, izay fantatra fa efa mpamerin-keloka ary nampihorohoro ny mponina ao amin’ny kaominina Ivato no voasambotry ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Ankadindravola omaly maraina  tokony ho tamin’ny valo ora maraina. Azo izao vokatra izao raha araka ny loharanom-baovao noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny samy mpitandro ny filaminana ihany. Io maraina io  dia naharay antso avy amin’ny lehiben’ny toby fampiofanana manokana ny zandary eny Ivato izay fantatra amin’ny anarana hoe Centre de formation spécialisée de la gendarmerie na CFS Ivato noho ny fisian’ny olona iray mampiahiahy azy nandalo teo anoloan » izy ireo ny zandary ao Ankadindravola. Nilaza ilay antso fa manosika bisikileta io olona io no sady kaodikaody nandalo teo anoloan’ny vavahadin’ny toby andrasan’izy ireo. Nidina teny ifotony avy hatrany ny zandary miisa telo ka nisambotra io lehilahy io. Rehefa natao ny fanadihadiana dia voamarina fa bisikileta vao avy nangalariny io maraina io teto ivato ilay bisikileta tratra teny aminy. Nisy finday Android marika GOME iray ihany koa tany aminy. Rehefa nanontaniana momba izany izy dia niaiky fa halatra io ary vao avy nangalariny teny amin’ny 67 Ha omaly ny Alarobia hariva.

Ny fanadihadiana nataon’ny zandary no nahalalana fa efa nigadra noho ny resaka halatra nataon’ny teny Ivato ity lehilahy ity tamin’ny taona 2022. Tsy vitan’izany fa mbola nahitàna fitaovana fitsindromana zava-mahadomelina tao anaty entany nandritra ny fisavàna natao tamin’ny fotoana nisamborana azy. Noho ireo antony ireo dia notanana natao andrimaso ao amin’ny zana-tobim-paritra Ankadindravola ity olona ity hanohizana ny famotorana azy ary tsy maintsy hatolotra ny Fitsarana tsy ho ela. Efa nanaovana filazana tamin’ny tambajotran-tserasera facebook ihany mba hitadiavana izay tompon’ilay bisikileta tratra teny aminy.

T.M

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici