Mitohy hatrany, ny resaka fakàna an-keriny teratany vahiny eto amintsika. Karàna roa lahy indray no lasibatra tamin’ity indray mitoraka ity. Teny Antanetibe Ivato no nitrangan’izany, ny alarobia alina manodidina ny tamin’ny valo ora teo. Raha tsiahivina ny tena zava-niseho araka ny fitantaran’ireo vavolombelona nanatrika izany, dia voalaza fa nisakafo tamin’ny toeram-pisakafoana teny an-toerana ireto karàna roalahy ireto. Nisy nahatsikaritra fa, efa nisy fiara “express” niandry teo ivelany teo. Tsy nisy nanam-po ny zava-doza hitranga fa nihevitra ny tompon’ilay toeram-pisakafoana fa olona mety hisakafo ao koa angamba ireto farany. Saingy nony nivoaka ny toeram-pisakafoana hiditra ny fiarany ireo karàna roa lahy, avy hatrany dia notsenaina vatan-dehilahy telo milanja “kalach” sy misaron-tava izay efa nipetrapetraka niandry teo akaikin’ny fiaran’izy ireo. Marihina fa io “4×4” an’ireo karàna io ihany no nentin’ireo olon-dratsy nitondrana ireto teratany vahiny nalaina an-keriny. Raha ny fanamarihan’ireo manodidina, dia mety efa narahan’ireo olon-dratsy ireo karàna ireto matoa fantatr’izy ireo ny toerany nijanonan’ireo nisakafoana. Noteren’ireo olon-dratsy niditra ny fiarany sy nanaraka azy ireo ireto teratany karàna roa lahy. Taorian’izay dia namonjy ny fitsoahana nihazo an’i Mandrosoa Ivato avy hatrany ilay fiara naka an-keriny ireto teratany vahiny roa ireto. Ny fokonolona nanatri-maso tsy afa-nanoatra firy, fa atody miady amam-bato ihany. Manaraka izany, fotoana fohy tokoa no nahavitan’ireo jiolahy ny asa ratsiny ka tsy nahoraka loatra ny zava-nitranga, raha tsy efa tonga teny an-toerana ny zandary. Niezaka nanenjika ilay fiara 4X4 ihany ireto farany, saingy efa dify lavitra ireo olon-dratsy ka tsy tratran’izy ireo intsony. Ankehitriny dia mbola eo am-panaovana ny fanadihadiana mahakasika an’ity raharaha fakàna an-keriny teratany karàna ity indray ireo zandary misahana an’iny faritra iny. Misokatra araka izany ny fikarohana azy ireo.
Niony H.