- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Karàna tratra saika hitondra antsokosoko volamena antsasan-kilao

Ivato : Karàna tratra saika hitondra antsokosoko volamena antsasan-kilao

Efa teny amin’ny toerana hidirany ao anaty fiaramanidina ny teratany Indiana iray no nosavaina ary nahitana volamena antsasan-kilao saika haondrana antsokosoko tany aminy. Omaly hariva tamin’ny 6 ora handeha amin’ny sidina ho any amin’ny renivohitra Kenya any Naïrobi izy izao tratra izao. Ny avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena miasa eny amin’ny seranana no nahatratra ity olona ity; Nahazo vaovao izy ireo ny amin’ny fanondranana tsy mandeha amin’ny tokony ho izy io volamena io. Rehefa natao ny famotorana azy dia fantatra fa saika ho entina any Dubai ny entana. Nilaza koa ity olona ity, araka ny vaovao voaray hatrany, fa sambany izy no nitondra volamena tsy ara-dàlana any ivelany. 40 taona ny lehilahy. Raha vao tratra ireo volamena ireo dia nampandre ny avy ao amin’ny polisy miasa eo anivon’ny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany ny zandary. Izy ireo, araka izany no hisahana ny fanadihadiana lalina mikasika ity trafika ity. Tsy vao sambany moa no nisy izany fa efa imbetsaka tokoa, mba tsy hilazana fa saika isaky ny misy sidina ho any ivelany any. Maro ny tratra, ny mpanara-maso koa anefa manamafy fa ampahany vitsy ihany ireo tratra ireo. Izany hoe, sesehena ny volamena misy mamoaka any ivelny any fa tsy tratra avokoa ny ankamaroany.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici