Tsena an-jatony no indray lasa lavenona, ny sabotsy hariva lasa teo teny Ivato. Maherin’ny 800 tapitrisa ariary eo ho eo ny fahavoazana raha ny vaovao voaray.
Taorian’ny nahamay ny « pavillon » tetsy Analakely, vao andro vitsy lasa izay, dia nisiana fahamaizana ihany koa ny tsena teny Ivato. Vao aty amin’ny kilaometatra vitsivitsy dia efa hita manaka-danitra ny setroka mainty sy lela afo mijoajoala. Hatairana avokoa ny an’ireo mponina teny amin’ny manodidina an’Ivato iny, ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any. Ireo tsena tao amin’ny Quartier N°4 no lasa kilalaon’ny afo. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandary tonga teny an-toerana dia mpivarotra iray, tamin’ireo tsena ambongadiny no teo am-pafana menaka tamin’ny barika no fototr’ity zava-doza ity. Fanaon’ireo mpivarotra rehetra eto an-drenivohitra ity manafana menaka amin’ny barika ity. Mitobaka be mantsy ireo menaka mandry, ka mba ahazoana mivarotra azy dia tsy atsonika aloha izany. Afo-kitay no mazàna hanaovan’izy ireo io fomba io. Ka mety, tamin’io fotoana io, na vaky ilay barika fitoerana, na nisy niraraka ilay menaka ary nahazo ny afo, dia izao nitera-doza mihoapampana izao. Niainga tamin’io mpivarotra io ny afo, ary noho ny toetr’andro mafana sy maina dia niparitaka haingana tamin’ireo tsenakely teo anilany. « Pavillon » miisa 13, karakara hazo 39 ary talatalana teo amin’ny 60 teo no indrisy fa lavenona sisa, niaraka tamin’ireo entana teo amboniny. Tafiakatra any amin’ny 800 tapitrisa no teti-bidin’ireo entana may tamin’ity loza mahatsiravina niseho teny an-toerana ity. Mpamonjy voina avy aty Antananarivo, nampian’ny avy amin’ny Asecna sy an’ny « corps de protection civile » no indray nifarimbona namono izany. Ary na dia teo aza ireo rehetra ireo, niaraka tamin’ny fanampian’ireo fokonolona dia naharitra ora maromaro ihany vao voafehy tanteraka ny loza. Na izany aza anefa, tsy nisy ny aina nafoy na naratra tamin’izany.
« Court-circuit ». Fa mbola resaka hain-trano mahatsiravina ihany, niseho tany Manankasikely, ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro tany ho any. Trano iray ihany koa no indray levon’ny afo. Olona roa no fantatra fa naratra ka ny iray namoy ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hôpitaly. Nahitana fahamaizana kosa ny vatan’ilay iray ka efa nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Raha ny fanazavana azo dia vokatry ny « court-circuit » no antony nahatonga io fahamaizana io. Nahita ny afo nijoalajoala sy ny setroaka nijolofotra, ity olona maty ity, ka nitsambikina avy eny ambony rihana, izay antony iray nahatonga ny fahatesany ihany koa. Tokony hitandrina mafy mihitsy ny rehetra, ny amin’ireo zavatra mety mora mirehitra sy mampidi-doza. Izao toetr’andro mafana sy maina izao tokoa mantsy no tena mahabe ny hain-trano isan-karazany, ambonin’ny hoe trano nataon’ny olon-dratsy fanahy iniana nodorana.
m.L