- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversIvato : « Machine à sous » voapiraty, telolahy voasambotra

Ivato : « Machine à sous » voapiraty, telolahy voasambotra

Izy telolahy mpiketrika amin’ny ratsy.

Efa manana fitaovana manokana, noforonina mihitsy ry zalahy ireto, entina hanakorotanana ny firindran’ny asan’ireo « machine à sous », izay misy azy ireo. Hany ka tsy manaja intsony kajimirindra, izay mifototra amin’ny kisendrasendra ireto fitaovana natao hilokàna ireto. Mazava ho azy, mahazo vola foana izay olona milalao amin’izany fitaovana izany. Tratra izy ireo, niaraka tamin’ny fitaovana fampiasàny, teny amin’iny faritra Ivato iny. Anisan’ny karazan-dalao filokàna malaza tampoka indray tato ho ato ny milalao « machine à sous ». Karazana fitaovana iray mampiady sary izy ireo, ka rehetra mitovy ny sary miisa telo dia mahazo « jackpot ». Mamoaka « jetons » maromaro ilay  « machine » avy eo, izay azo atakalo vola eo no eo. Teo aloha teo, dia any amin’ireo trano filalaovàna lehibe na « casino » ihany no nahitàna izany. Amin’izao, saika efa feno azy eny rehetra eny. Izay toe-javatra izay indrindra ihany koa no manintona ireo mpanao ratsy ary hiezahin’izy ireo hitadiavana « ketrika », ahafahana misoloky izay fitaovana izany hamoaka vola foana ho azy ireo. Toy ireto telolahy voasambotry ny pôlisy, avy ao amin’ny « service central des courses et jeux », na ny sampandraharaha manokana eo anivon’ny pôlisy misahana ny lalao. Araka ny fampitam-baovao azo dia efa maro ireo mpisehatra amin’ity « machine à sous » ity no velon-taraina ny amin’ny afitsoky ry zalahy ireto. Satria dia very hatrany amin’ny telo alina ka hatramin’ny enina alina ariary isaky ny fitaovana ireo tompony, ka raha toa ka mba tombony kely no kendrena ho azy. Nisy avy hatrany ny fitairanana nataon’izy ireo teo anivon’ity sampandraharaha manokan’ny pôlisim-pirenena ity, izay nanaovana fanadihadiana hatrany. Ny alatsinainy lasa teo no voasambotra izy ireo. Tra-tehaka ambodiomby, teo am-piasàna ilay fitaovana ny roalahy, hoy hatrany ny vaovao, raha toa ka nosamborina tany an-tranony ny iray, izay voatondro ho naman’izy ireo. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany moa izy ireto, miandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici