
“Efa io no asa hainy sy ananany (…) hoy ny zandary, saingy mila manampy traikefa angamba fa voasambotra foana ny sasatra ! Tovolahy iray, tsy manana toeram-ponenana raikitra no voasambotry ny zandary teny amin’iny faritra Ivato tanana, tsy lavitry ny kartie K5 ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Mbola nirongorongo entana ny lehilahy tamin’izy nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana. Entana, izay fantatra fa tsy azy, ary tsy avy novidiana ihany koa satria tsy hisy tranom-barotra hivoha amin’ny telo ora maraina rahateo ,hoy hatrany ny vaovao. Bisikleta lamaody an’olon-dehibe iray, niaraka tamin’ny bisikletan-jaza maromaro. Tsy afa-niala sy nitsoaka intsony moa, rehefa tojo ireo mpitandro filaminana ny lehilahy, ireto entana avy nagalarina ihany koa mavesabesatra ihany hany heriny dia nibaradaka ny asa ratsy nataony : “ avy namaky trano…” Marihana fa efa diso fantatr’ireo mpitandro filaminana loatra ingahirainy noho ity farany efa voasambotra sy efa nigadra noho izay asa ratsy fanaony izay. Nampitondra faisana ny mponina teny an-toerana rahateo ranamana ity, raha ny vaovao hatrany, noho izay fanaovana hala-botry izay. Nentina avy hatrany natao famotorana moa ity mpangalatra ity ary ireo entana kosa dia efa naverina tamin’ny tompony. Efa natolotra ny fitsarana kosa ny lehilahy ary nadoboka am-ponja vonjimaika indray.
m.L