Nandritry ny fitiliana ny entana no tsikaritra fa nisy menaka rongony nafenina. Teratany congolais iray izay tafiditra tao anatin’ny ekipa izay handray anjara tamin’ny fifanitsanana Afroleague no tompon’antoka tamin’izany. Ny asabotsy tokony ho tamin’ny efatra maraina ny tonga ny fiaramanidina izay nitondra ity ekipa ity ary nandalo ny fisavàna isan-karazany toa ny mahazatra eny amin’ny seranam-piaramanidina. Rehefa sarona ny zava-mahadomelina izay nentiny dia avy hatrany dia notazomina izy ary nanokafana fanadihadiana. Fa dia inona loatra ny fieritreretan’ny vahiny ity seranam-piaramanidintsika ity ? Ny sinoa mitondra sokatra sy biby arovana, ny venezueliana mitondra rongony, ny congolais koa torak’izany ary ny malagasy sasany volamena. Toa tsy misy tahotra loatra izy ireo kanefa dia heloka mampigadra hatrany ireo karazany izay natao ireo. Mety an-tsain’izy ireo angamba ny hoe mandoa vola dia afaka satria malaza ratsy amin’ny kolikoly sy fanaparam-pahefana ny seranan’Ivato. Na izany aza aloha dia mba nisy vokany tato ho ato ny fisavàna teny an-toerana satria nisesy ny fahitàna olona nitatitra zavatra tsy ara-dalàna.
D.R