Saika ratsy fiafara ny taona ho an’ity mpandraharaha iray, mipetraka eny Mandrosoa Ivato ity. Ny alin’ny faran’ny taona teo tokoa mantsy dia jiolahy maromaro no saika hanafika teny an-toerana, niaraka tamin’ny basy sy ny grenady. Noho ny vaovao azon’ireo zandary eny an-toerana anefa, dia voasoroka tanteraka izany. Voasambotra ihany koa ireo olon-dratsy, ary mbola nahitana ireo fitaovam-piadiana mahery vaika ireto teny aminy. Araka ny fanazavàna nomen’ny Kômandin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Central, tompon’andraikitra misahana iny faritra iny dia efa heno roa andro mialoha ny fisian’ireto andian-jiolahy saika hanafika mpandraharaha ireto. Nandray ny fepetra misahana izany avy hatrany ireto zandary ireto, ka tamin’izany no nahitàn’izy ireo roalahy mampiahiahy mibaby kitapo. Natao avy hatrany ny fisamborana. Fitaovam-piadiana maromaro no hita tao, toy ny « grenade offensive » iray, basy poleta iray, niaraka tamina bala, saron-tava, « big boss », tady, fanafody fampatoriana, tady mahazaka ary « scotch ». Efa maty paika tokoa, raha izao fitaovana isan-karazany teny amin’ireto olon-dratsy ireto. Nohadihadiana avy hatrany ireto nahatratrarana fitaovam-piadiana ireto, ka nanondro ny namany. Miisa enina izy ireo no voasambotra raha fanazavàna azo hatrany. Mbola misy namany hafa ihany koa aza mbola karohina fatratra amin’izao fotoana izao, raha ny vaovao azo hatrany. Namany izay voalaza fa tompon’ireto fitaovam-piadiana sy fitaovana maromaro ireto. Ity farany, izay mety ho efa tafaporitsaka rehefa naheno fa nandamokan’ ilay fanafihana. Ambonin’izay moa dia voatery nosamborina sy notanana nanaovana fanadihadiana ihany koa ny roa vavy, mpanampy an’ilay mpandraharaha. Noahiahiana ho isan’ny mpiray tsikombakomba sy mpanome toromarika ho an’ireo olon-dratsy saika hanafika izy ireto, raha ny fantatra hatrany. Omaly ihany no natolotra ny Fampanoavana izy valo mianadahy ireto, ary nampidirina am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Ny zandary moa dia tsy mitsahatra ny manentana hatrany amin’ny fanomezam-baovao azy ireo ny amin’ny tranga na olona mampiahiahy. Izany dia ahafahana misoroka mialoha ny zavatra mety hitranga, toa ity saika nahazo an’ity mpandraharaha iray ity.
m.L