- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversIvato : Naiditra am-ponja ny mpamily ilay taxi-be

Ivato : Naiditra am-ponja ny mpamily ilay taxi-be

Niatrika ny Mpitsara mpanao famotorana, omaly ny mpamily ilay taxi-be nahafaty ankizy roa tamin’ny herinandro lasa teo. Nanapakevitra ny mpitsara fa hotanana am-ponja vonjy maika izy io. Raha tsiahivina ny zavatra niseho dia tahaka izao. Tamin’ny zoma lasa, nandona ankizy nandeha tamin’ny sisin-dalana ny fiara nentin’io olona io. Fantatra taorian’izany fa maty ireo ankizy ireo noho ny ratra nahazo azy. Nanao ny asany ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Nandeha ny fanadihadiana rehetra. Notazonina tany amin’ny biraon’ny zandary ilay mpamily. Teo imason’ny mponina anefa, toa tsy nahafapo azy ireo izany zavatra izany. Ny alatsinainy naneho ny tsy fahafaliana ny rehetra ary nidina an-dalambe. Nitaky izy ireo ny mba hamaizana ny nahavanona ny loza. Teo anatrehan’izany, nandray ny andraikiny ny tomponandraikitra. Omaly no nentina teny amin’ny Fampanoavana ilay mpamily ary dia izao nalefa vonjimaika eny am-ponja izao.

Maro ny resaka re teny an-toerana mikasika ity fahafatesan’ankizy ity. Toa nahatsiaro ny rehetra fa tsy nisy ny fandraisana andraikitra ka izany no nampidina an-dalambe azy ireo. Nahatsapa ry zareo fa tena misy ny baranahany, indrindra amin’ny resaka fifamoivoizana. Rehefa nahita izany ny tomponandrikitra dia niezaka ny nampitony. Amin’izao fotoana izao dia azo lazaina fa milamina ihany, amin’ny ankapo-beny ny toe-draharaha.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser