- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Nirefodrefotra ny feom-basy

Ivato : Nirefodrefotra ny feom-basy

Nanaitra ny olona tokoa ny marainan’ny zoma teo tetsy Ivato ny fipoakan’ ny feom-basy ka nampikoropaka ny sasany.Nisy tamin’ ireo mponina mihitsy aza no efa niezaka hiantso ny mpitandro filaminana  fa noheverin’izy ireo ho olon-dratsy manao fanafihana.

Sarinady sy fanazarantena anefa no nitranga, satria mpianatra efatra ho mpitsara no nanao fanazarantena nitifitra tamin’ny  ” pistolet automatique sy Kalachnikov” teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny 21 febroary lasa teo. Izany dia natao teny amin’ny C.F.S  na ny Commandement des Formations Spécialisées Ivato. Ny antony moa dia noho izy ireo tsy nanao « service national » ka mba hanazarana azy ireo hampiasa basy no sady amin’ny maha olona ambony azy ireo dia zony ny hitazona sy hampiasa basy rehefa mivoaka ho mpitsara izy ireo.

Rehefa vita izany dia nanao ny « exercice de synthése en maintien de l’ordre »(MOI) izay notanterahin’ireo mpitandro ny filaminana tao amin’ny EMMO. Naseho an’ireto mpiofana tamin’izany ary ny fandikan-dalàna avy amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireo vahoaka ao anatin’ireny sakoroka ireny.

Nifandrombonan’ny Zandary sy Polisy avy eto an-drenivohitra izay mampitombo ny fahaiza-manao manaraka ny toetr’andro eo amin’ny fitandroana  ny filaminam-bahoaka (Gestion démocratique de foule). Tonga nitarika ny hetsika ny Kolonely Rakotamahanina Florens komandin’ny CIRGN sy notronon’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Mihasahy sy mihantsy tokoa mantsy ireo olon-dratsy amin’izao fotoana izao ka mila fiofanana ifotony na ireo vao manomboka ny asa na ireo izay efa am-perinasa amin’izao fotoana izao.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser