- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversIvato : Nobatain’ny jiolahy mitam-basy tamin’ny kamiô ny entana

Ivato : Nobatain’ny jiolahy mitam-basy tamin’ny kamiô ny entana

Hafakely raha samy izy ity fanafihana ity. Na koa hoe mivoatra isan’andro ny fomba fanafihan’ny jiolahy. Fito lahy nitondra “kalachnikov” efatra no nanafika toeram-pisotroana iray tetsy Ivato, akaikin’ny “bout de piste”. Raha araka ny vaovao azo dia tsy nisy namelan’ireo olon-dratsy raha tsy azo ny entana lafo vidy tao an-trano. Mazava ho azy, ankoatra ny vola tao anatin’ilay toeram-pivarotana. Lasa ny “haut-parleur” maromaro izay mavesatra, ny solosaina, ny finday ary koa ny vola izay tao amin’ilay toerana. Tsy nisy niangana araka ny  fitenenana. Ny talata hifoha alarobia teo no nitrangan’izany asan-jiolahy izany. Raha ny fihevitry ny maro dia efa niomana mihitsy ireto olon-dratsy ireto. Ny anton’izany dia ny fitondran’izy ireo fiara vaventy nentina nitaterana ny entana halatra. Raha ny fantatra mantsy dia lasa hatramin’ny vata fampangatsiahana,izay sady sarotra bataina noho ny hangezany sy ny havesany. Io dia fampiasa tao amin’ilay “bar”. Nahoraka teo amin’ny manodidina ny zava-nitranga,satria ankoatra ny maha-asan-jiolahy azy dia tsy mbola nisy teo amin’ny tantara angamba izany hoe nobataina avokoa hatramin’ny entana tao an-trano. Vehivavy rahateo no tao,hany ka mora tamin’ireo olon-dratsy ny nanatontosa ny asany. Velon-taraina no sady mihorohoro ny olona noho ity tranga ity,satria ny zavatra toa izao dia mety hihatra amin’ny tokantrano tsirairay. Indrindra koa, manam-potoana ireo mpangalatra ary nanao izay danin’ny kibony mihitsy aza, tamin’ny fanatontosana ny asaratsiny.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser