Dia ahavitana zavatra tsy ampoizina tokoa ity resaka fitiavana ity. Ramatoa iray monina eny amin’ny faritra Ivato eny no nanendrikendrika ny vadiny ho nahavita nanolana ny zanany, ary inenina misesy, araka ny filazany. Omaly no niakatra fitsaràna ny raharaha, tao amin’ny efitrano faharoa. Ny zava-nitranga : ny 19 may 2013 no voalazany fa nisehoan’ity seho mamoafady ity. Nambarany fa tratrany tao amin’ny trano iray teny an-toerana, raha iny izy niditra tampoka iny, rangahy vadiny, niboridana sy teo am-panondrotana pataloa. Efa fantampatany tamin’izay fotoana izay fa mampirafy azy ny vadiny ary miaraka amin’ny vehivavy hafa ity rangahy. Hatairana anefa ny azy, raha nahita fa ny zanany vavy, manodidina ny eo amin’ny 10 taona eo no niboridana teo am-pandriana. Nitory teny anivon’ny mpitandro filaminana izy, ary rehefa nohenoina teo anivon’ny Fampanoavana dia nampidirina am-ponja vonjimaika rahalehilahy. Tamin’izay fotoana izay mantsy dia nitondra taratasy fizaham-pahasalamana tany amin’ny dokotera io ramatoa io, izay nanambara fa simba tanteraka ilay ankizivavy kely. Taty aoriana, rehefa natao ny fanadihadiana lalina ary naverina nentina tany amin’ny mpitsabo mahefa ity ankizivavy kely ity dia mazava ny valiny : tsy simba ilay ankizy ary tsy nisy nanombinana ny “hymen”. Porofo fa tsy niharan’ny fanolanana velively ny zanak’ity ramatoa ity. Nandritra ny fiantsoana an’ity ramatoa ity teo anoloan’ireo mpitsara ihany koa omaly dia nivadibadika be ihany ny fomba fitantarany ny zava-nitranga. Etsy andanin’izay, nandà ankitsirano ny fiampangana azy ihany koa ity lehilahy ity. Manoloana izay rehetra izany dia nilaza ny teo anivon’ny Fampanoavana fa sarotra ny handefa olona any am-ponja amin’ny zavatra tsy nataony. Namantsimpantsika ihany koa ny mpisolo vava niaro ity rangahy ity fa tsy fampiharana ny valifaty ny eny anivon’ny fitsaràna ka mangataka ny hanafahana io lehilahy io. Amin’ny zoma ho avy izao no hivoaka ny didy, na izany aza anefa, nolavin’ny fitsaràna ny fangatahana fahafahana vonjimaika ho an’ity rangahy ity. Ny nahavarian’ny maro, tsy nahafaly an-dramatoa angamba ny fizotry ny fitsaràna, fa dia nianjonanjona sy nitontontona aoka izany ny anao vavy nivoaka ny varavarana. Dia ahitan-javatra tokoa ity fitiavana ity.
m.L