Toeram-pivarotana no sady ipetrahan’ny olona, no nataon’ny jiolahy lasibatra, tetsy Ivato, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo. Lehilahy maromaro izay tsy voafaritra isa, satria tao anatin’ny maizina ny fanafihana, no tonga nanao ny asa ratsiny. Novakian’ireo ny varavarana ary norahonany basy ny tompon-trano. Ny raim-pianakaviana dia voavely tamin’ny vodibasy teo amin’ny lohany ka naratra mafy. Lasa tamin’izany ny vola rehetra izay maty indray andro tao amin’ilay fivarotana. Tsy nisy ny aina nafoy, saingy na izany aza dia mafy tamin’ilay fianakaviana voatafika ny herisetra nanjo ny raim-pianakaviana. Nampihorohoro ny mpiray tanàna rahateo izany, satria amin’izy ireo dia efa mitady hanjaka eny an-toerana ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Mbola manaporofo hatrany ity tranga ity, fa miparitaka ny fitaovam-piadiana. Tsy misy intsony ny asaratsy mitranga amin’ny alina ka tsy mampiasa basy ny jiolahy. Ao ny basy vita gasy, fa ao ihany koa ny basy izay avy amin’ny mpitandro ny filaminana no niaviany. Toa ilay kalacknikovs roa; izay nohamarinin’ny pôlisy fa tsy maintsy mpitandro ny filaminana no niaviany ary nanokafana fanadihadiana ny amin’ny toby izay nivoahan’izany. Ady roa karazany izany no mitranga, satria raha mbola tsy voafehy ny fiparitahan’ireo “tena izy”, dia efa misy koa ny vita gasy izay hita etsy sy eroa…
D.R