Ny tolakandro tontolo no nisava izay fiara nivezivezy teo amin’ny parking eo anoloan’ny seranam-piaramanidina ny zandary misahana ny fiambenana an’izany. Hatrany anatin’ny fitoeran’entan’ny fiara dia nojerena avokoa. Matetika hatao izany mba hialàna amin’izay mety ho fanondranana, indrindra ho an’ny zotra mankany amin’ny kontinanta asiatika. Ny volamena sy ny sokatra no tena matetika mivoaka any amin’ireo toerana ireo ary voatery nohamafisina hatrany amin’ny fiara ivelan’ny seranam-piaramanidina ny fisavana. Hita ho sorena ihany ny olona manoloana ny zava-nitranga satria mbola toerana ho an’ny besinimaro ny ivelan’ny seranam-piaramanidina. Ny mpitandro ny filaminana indray dia nanazava fa anatin’ny asan’izy ireo tanteraka ny fanatanterahana fisavana eo amin’ny parking toa izao…
D.R