Tsy vitan’izay fa tamin’ny fomba feno habibiana. Nampiasaina avokoa ny zava-maranitra, ny maritoa sy ny hafa. Tetsy Mandrosoa-Ivato no nisehoan’izany heloka bevava izany ny marainan’ny alahady teo. Nisy fifamaliana teo amin’izy mianaka ny omalin’iny ka nahatonga ilay vehivavy niala tao an-trano nisy azy mianaka. Efa ramatoa io vehivavy io, 40 taona izy ary manan-janaka iray. Nanapa-kevitra izy ny natory tany amin’ny olom-patany mba hialàna amin’ny adiady. Ny maraina izy no niverina tao an-trano kinanjo mbola tsy niafàna ny hatezeran’ilay rangahy. Nokapohany maritoa, nampiasainy zava-maranitra ary tsy namelany raha tsy afaka tanteraka ny ainy. Raha ny fanazavan’ny manodidina dia misy olana ara-tsaina io nahavanon-doza io. Nantsoina teny an-toerana ny zandary nanao ny fisamborana azy ary ny olona teo amin’ny manodidina kosa no nifandrimbona tamin’ny fikarakaràna ny razana. Isan’ny olana mipetraka matetika ny mbola hiriarian’ny olona manana aretin-tsaina amin’ny fiarahamonina. Tsy vitsy izay olona mirenireny eny an-dàlana izay no midaroka olona tampoka na koa mamono olona. Ny antony dia indraindray harian’ny havany izy ireny ary tsy misy olona afaka manaraka ny fitsaboana azy. Ny tsikaritra koa anefa amin’ny lafiny iray dia tsy mbola ao anatin’ny kolontsain’ny maro izany hoe hitsabo saina izany. Toa zary henatra aza ny mitondra havana izay mararin’izany. Matetika dia hafangaro amin’ny mosavy hatrany ny aretin-tsaina ary tsaboina amin’ny fomba tsy ara-tsiantifika. Vokany dia lasa marobe ny manaotao foana sy miteraka olana eo amin’ny fiarahamonina.
D.R