- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Olo-manankaja nivalandrano teo ambaravaran’olona

Ivato : Olo-manankaja nivalandrano teo ambaravaran’olona

Ny alarobia teo, manamboninahitra iray no voalazan’ny vaovao fa nivalandrano teo ambaravaran’olona teny amin’ny faritr’Ivato. Henon’ny tompon-trano anefa izany zavatra izany ka nijery ny zava nisy ry zareo. Na dia notenenina aza anefa ity olona manankaja ity dia toa tsy nahoany izany fa ny nataony ihany no nataony. Raha nahita izany ny namany dia nisintona nitondra azy nandeha. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha fa niverina ilay manamboninahitra niaraka tamina olona hafa ary dia novakiany ny varavaran’ireo olona ary niendaka hatramin’ny savily. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa, tamin’ny fotoana nanaovany ity zavatra ity dia avy nisotrosotro izy. Tsy manaiky ny fandehan-javatra ny tompon’ilay trano fa nametraka fitoriana any amin’ny zandary eny an-toerana.

Nangonin’I r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser