- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Polisy nandratra olona tao anaty bar

Ivato : Polisy nandratra olona tao anaty bar

Nahazo antso ny zandary mahakasika ny fisian’ny lehilahy iray maratra mafy. Nidina an-tsehatra nanamarina ary nisy lehilahy iray izay vaky loha ary mitsirara tamin’ny tany. Ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy no nitranga izany, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany. Nentina avy hatrany tao amin’ny « infirmerie » tao amin’ny tobin’ny Bani aloha ny naratra mba hanavotana ny ainy. Vita izay dia niverina teo an-toerana ary nanadihady ny tena zava-nitranga. Teo no nahafantaran’ny zandary fa polisy no tompon’antoka tamin’ilay herisetra. Navelany teo rahateo ny fiarany niaraka tamin’ny lakilen’izany ary mbola hita tao ny finday marika Tecno. Fiara peugeot 206 mitondra ny laharana 36xx TAD. Ny fanamarinana rehetra dia nizotra tany amin’ilay polisy izay miasa ao amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato. Nogiazana ny fiarany ary nampandrenesina ny lehibeny mahakasika ny zava-nitranga. Ny atahorana amin’ny tranga toa itony dia ho vitan’ny « protocole d’accord » na fifanarahana eo amin’ny samy vondrona indray ny raharaha. Izany hoe vitan’ny fampahafantarana ny lehibe dia anjaran’izy ireo avy eo no manaraka na tsia ny raharaha. Tsiahivina fa vao tamin’ny herinandro lasa teo koa no nisy ilay jeneraly polisy iray izay saron’ny zandary niaraka tamin’ny cocaïne. Sady nidoroka no nivarotra. Nosamborina dia avy eo natolotra ny vondrona misy azy dia tsy fantatra intsony izay tohiny. Indraindray dia mahita ny olona sao mba tokony hofoanana amin’izay itony « protocole d’accord » itony satria sao lasa eritreretin’ny mpitandro ny filaminana sasany ho maha-tsimatimanota azy ireo. Sady tsy misy andinin-dalàna mamaritra izany fifanarahana izany rahateo kanefa dia hajaina fatratra izany hatrizay.  

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici