- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Ramatoa 61 taona tratra nisoloky tanin’olona

Ivato : Ramatoa 61 taona tratra nisoloky tanin’olona

Tsy kely lalana marina ny ratsy, ary tsy misy soratra eny amin’ny tampon-kandriny. Iza tokoa moa no hieritreritra hoe ramatoa efa lehibe, 61 taona, dia hahavita hisoloky olona ? Toy ity tranga niseho teny Ankadindravola Ivato ity, ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana dia nisy nametra fitoriana teny amin’ny pôlisy ekônômika teny Anosy ny amin’ny fisiana ramatoa iray, misoloky ny taniny teny amin’iny faritra Ivato iny. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana ka tamin’izany no nahatratrana an-dRtoa Liva, efa teo am-panaovana ny taratasy fifampivarotana tamin’ilay mpividy, momba an’io tany io, teny Mahamasina. Rehefa natao ny famotorana azy sy fisavana dia mbola tratra tany aminy nyn kara-panondro hosoka amin’ny anaran’ilay ramatoa tena tompon’ilay tany saika hamidin’ity mpisoloky ity. Ny sary sy ny laharan’ilay karatra dia an’ity mpisoloky ity fa ny sary kosa no an’ilay olona nisolokiany. Io karatra io, araka izany, no nentin’ity ramatoa ity namitahana ireto mpividy ireto, izay tsy nieritreritra zavatra hafa mihitsy fa dia natoky tanteraka. Tao anatin’ny famotorana natao azy moa no nanondroany ny olona nahazoany io karapanondrom-pirenena sandoka io,  toy izany koa ny hoe efa tena asa ratsy fanaony ny misoloky olona toa izao. Mba mailo ihany e !

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser