- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Sarona ireo sokatra 208 nokasaina haondrana

Ivato : Sarona ireo sokatra 208 nokasaina haondrana

Vokatra goavana ho an’ny paikday entina miady amin’ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena indray no azon’ny zandary avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Ivato Seranana omaly. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo mantsy, dia saron’ireo zandary mpanao fisafoana ireo olon-dratsy mpanao trafikam-biby arovana. Talohan’io mantsy dia efa nisy angom-baovao azon’ireto mpitandro filaminana ireto ny mety ho fisian’ny andian’olona hanondrana sokatra an-jatony. Nisy avy hatrany fisafoana tsy tapaka teny an-toerana ary io tratra tao anaty vela-pandrika io ireo olon-dratsy. Nandritra izany mantsy, hoy ny vaovao, no nahitana fiara iray nampiahiahy, namono jiro, niantsona tsy lavitry ny seranam-piaramanidina tetsy Ivato. Nanatona avy hatrany ireo zandary ho amin’ny fisavàna saingy nivoaa toy tsy teo ary niezaka nitsoaka ireo tao anaty fiara : olona telo. Raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra ny roa, tafatsoaka kosa ny iray. Mbola tavela tao anaty fiara kosa ireo sokatra an-jatony isa. « Nogiazana ireo biby sy fiara, natao andrimaso ny roa amin’ireo jiolahy voasambotra, tafaporitsaka kosa ny iray saingy efa fantatra. Avy any atsimon’ny Nosy ireo biby sy ireo jiolahy ». Ny sampana mpikaroka heloka bevavan’ny zandary moa no hanohy ny famotorana. Efa nampandrenesina kosa ny sampan-draharaha misahana ny tontolo iainana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici