Efa maimbo rà tanteraka ny olona eny amin’iny faritra Ivato iny. Hany ka raha vao mandeha fotsiny ny feo fa misy ny olona voasambotra mahakasika ilay raharaha fandratrana olona eny an-toerana dia miakatra afo avokoa. Toy ny nitranga omaly vao maraina : tomefy olona manoloana ny biraon’ny zandary sy ny kaominina Ivato Firaisana, ary saika raikitra mihitsy ny sakoroka. Ny antony, nisy lehilahy iray voasambotry ny andrimasom-pokonolona fa toa hoe nandratra olona roa, ny alin’ny alakamisy alina lasa teo. Voatondro avy hatrany ho isan’ireo mpidaroka “bois rond” ity lehilahy ity, ka nitaky ny hamoahana azy ao amin’ny biraon’ny zandary ny olona. Rehefa nanontaniana mikasika ity raharaha ity anefa ny teo anivon’ny zandary dia nanambara tsotra fa efa tsy ao intsony io lehilahy voasambotra io fa efa nafindra toerana ny alin’io ihany. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo farany hatrany dia karazana fifamaliana sy adiady nisy teo amin’ireo sasantsany tamin’ireo andrimasom-pokonolona sy ity rangahy ity no nisy io alina io. Naratra vokatr’izany ny roa tamin’iretsy voalohany ka tonga nanao fitarainana tao amin’ny zandary sy nanatitra ity olona nandratra ity. Tsy misy resaka hidiran’ny fidarahona hazo mihitsy, araka izany, ity raharaha ity. Raha momba izay tranga izay tokoa mantsy dia voalaza teny an-toerana fa efa olona 17 izay no naratra vokatr’izay herisetra izay. Etsy andanin’izay ihany koa dia nanamafy ireo zandary fa mbola mitohy tsy an-kijanona ny fisavàna sy fitandroana ny filaminana ary ny fanadihadiana ataon’izy ireo mahakasika ity tranga ity. Tao anatin’izay indrindra no nahatratraran’ny zandary ireo mpivarotra sy mpifoka rongony efatra mianadahy teny an-toerana, na dia tsy misy ifandraisany amin’ilay trangana herisetra aza aloha hatreto.
m.L