Nifandimbiasan-dr’Ingahy Sefo fokontany sy ny namany tao, ilay tovovavy 23 taona. Nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny, rehefa avy nofitahina tamin’ny alalan’ny compte fako, tao anaty tambazotra sosialy ary nentina tamin’ny toerana mangingina teny amin’iny faritra Andranotapahina iny. Ny tapatapaky ny volana oktobra teo no nitranga ity fanolanana faobe ity, ary izao taty amin’ny volana desambra izao vao fantatra avokoa sy tratra avokoa ireo nahavanon-doza. Telo lahy izy ireo, araka ny fampahafantarana nataon’ny zandary, ka ny iray tamin’izy ireo dia voatondro ho lehiben’ny fokontany iray ao amin’ny ny kaominina Ivato ao Raha hiverenena kely ny zava-nisy tamin’izay roa volana lasa izay, ny andron’ny 15 oktobra lasa teo. Rehefa nampiresahan’ireto olon-dratsy ity tovovavy iray, tamin’ny alalan’ny tambazotra sosialy dia nanaiky tokoa ny hihaona tokoa. Tafalatsaka tao anaty vovo rahateo ity farany, izay nihevitra fa terantany vahiny ity miresaka aminy sy mikaoty azy. Tsy vitan’ny fambabona fo ihany aza moa ny resaka fa tonga hatramin’ny hoe ho alaina vady rakalakely. Raikitra ny fotoana. Nalaina tamin’ny môtô ravehivavy, andro amin’ny sivy ora alina. Rehefa tonga teo Andranotapahina io dia nipoitra avy any amin’izay ny roalahy, ary nampihatra ny herin’izy ireo, nanao izay hamatorana sy hampidaboka an-drakalakely. Vita tamin’izay ny afera ary tsy namelan’izy telolahy raha vita izay nataony ary nalemilemy sy naratra ity tovovavy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, hikarohana ireo nahavanon-doza. Izao nivaly soa aman-tsara izao, volana vitsy taty aoriana. Marihana fa efa natolotra ny Fampanoavana ry sefo fokontany mpanolana sy ny namany ary nadoboka am-ponja vonjimaika, raha ny vaovao azo hatrany.
m.L