- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Senatera teo aloha karohin’ny PAF

Ivato : Senatera teo aloha karohin’ny PAF

Fitondràna fitaovam-piadiana an-tsokosoko no antony hitadiavina azy
Fitondràna fitaovam-piadiana an-tsokosoko no antony hitadiavina azy

Intelo nampanantsoina ilay manam-pahefana saingy sady tsy tonga mihitsy no tsy namaly izay antony mety tsy nahafaka azy. Vokatr’izany dia nanapa-kevitra ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisintany (PAF) ny hikaroka azy ary hisambotra raha ilaina izany. Ny lehiben’io sampan’ny pôlisy izay manana ny biraony ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, no nanazava an’izany. Raha tsiahivina dia voarohirohy ho nitondra basy Revolver niaraka tamin’ny bala maromaro io olom-boafidy teo aloha io. Nataony tany amin’ny entana alefa any amin’ny « soute » izany no hitan’ny fitsirihina tampoka tamin’ny alàlan’ny « scanner ». Ny 6 oktobra teo no nisehoan’izany tao amin’ny seranam-piaramanidina. Koa satria tsy nisy marika namantarana mihitsy izay mety ho tompony dia nanomboka nanao ny fijirihina ny sary noraikiten’ny « caméra de suveillance » tamin’izay ny pôlisy. Afaka nanidina nizotra tany Maroantsetra ihany ny fiaramanidina ary tsy nisy ny olona nasaina nijanona. Ny fanadihadian’ny pôlisy miandraikitra ny fiarovana ny sisintany kosa dia nitazona ilay olona voakasika ho voarohirohy tamin’ny fitondràna io basy tsy nisy taratasy io. Natao ny fiantsoana azy saingy tsy nisy vokany ary izay no lasa alàlana vita ho azy ho an’ny mpitandro ny filaminana amin’ny hisamborana azy amin’izay.Tsy voarara akory ny fitondràna fitaovam-piadiana raha toa ka voamarina fa olona mila mampiasa izany ny mpitondra azy. Tsy maintsy alefa any amin’ny « soute » ary mila manana taratasy ara-dalàna manamarina an’izany ny tompon’ny entana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia sady tsy nisy taratasy na ny iray akory aza. Tsy vitan’izany fa nafenina ny fitaovam-piadiana ary tsy natao hita soritra ny momba ny tompony. Raha tsy nisy izany ny « caméra de surveillance » dia mety ho nanano sarotra ny namantatra ilay nitondra azy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici