Nisehoana fanafihan-jiolahy nisesisesy teny Ivato tato ho ato izay. Ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany hariva, ramatoa iray avy nivarotra no nosakanana jiolahy miisa enina, nirongo basy poleta, raha iny an-dalana hamonjy ny fodiany iny ity ramatoa ity. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola mitentina efatra hetsy ariary niaraka tamin’ny firavaka vitsivitsy teny aminy. Ny lohanoranom-baovao no nahafantarana fa maty ny jiro teny an-toerana tamin’io nitrangan’ny fanakanana io. Ankevitry ny efa nandrasan-dry zalahy fotsiny izay fotoana nandalovan’ilay ramatoa. Tsy lavitra ny tranony akory no nisia’izay fanendahana miaro fanafihana izay raha ny fantatra hatrany. Avy hatrany mantsy nihodidin’ireo jiolahy ilay ramatoa, voambana basy ary tsy navela hiantso vonjy. Lasan’izy ireo teo ny vola matin’ity mpivarotra ity. Tsy vitan’izany anefa, raha ny fanazavana nomen’ny mpitandro filaminana hatrany fa norahanonan’ireo enin-dahy, hampandrosoana ao an-trano izy ireo. Nanaiky tsy fidiny ity ramatoa ity. Vantany vao tafiditra izy ireo dia nangoniny tao amin’ny efitra iray ireo olona rehetra tao an-trano. Ny sasany tamin’izy ireo kosa nisava ambony ambany ny trano. « Auto-radio », firavaka volamena maromaro ary taratasin-tany no lasan’ireo tsy valahara tamin’izany. Rehefa vita ny asa ratsiny dia nilefa moramora ry zalahy. Teo vao nampandre ny mpitandro filaminana ny tompon-trano, indrisy anefa fa tsy tratra intsony ireto olon-dratsy ireto. Efa mandeha ny fanadihadiana.. Fa aiza ihany ny vahaolan’ny fanjakana amin’ity resaka delestazy ity e ? Tsy mahagaga raha mirongotra izay tsy izy ireo asan-jiolahy isan-karazany. Na amin’ny andro mazava aza moa ireo olon-dratsy mahavita ny ataony, mainka fa ao anaty maizina.
r.s.