- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Sokatra 260 saika halefa any ivelany tratra

Ivato : Sokatra 260 saika halefa any ivelany tratra

Omaly maraina be, tamin’ny sidina ho any Bangkok sy Hongkong mandalo any Nairobi Kenya no nahatratraran’ny polisy eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, zana-tsokatra miisa hatrany amin’ny 260, saika halefa an-tsokosoko any ivelany. Tamin’ny fitiliana nataon’ny mpiasan’ny ladoany no nanamarihan’izy ireo valizy roa nampiahiahy azy. Rehefa nojerena akaiky dia hita fa nitombina ny ahiahy. Tratra tamin’izany ireo zana-tsokatra. Natao avy hatrany ny fanadihadiana, tsy hita anefa ny tompon’ireo valizy ireo fa niporitsaka. Na izany aza anefa, efa nananan’ny tompon’andraikitra ny momba azy, hoy ny vaovao nampitaina taty amin’ny mpanao gazety. Teto moa dia nisongandina tokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Marina fa mbola misy ny zavatra tokony hohatsaraina, indrindra amin’ny fisamborana ireo mpanao trafika izay tsy hita izay alehany raha vao tratra ny nafenina. Nanamarika ny tompon’andrikitry ny ladoany eny Ivato fa ity trafikana sokatra tratra omaly ity dia fahadiminy niseho nanomboka tamin’ny volana janoary tamin’ity taona ity. Misy ny efa lasa, fa maro koa no tsy tontosa, hoy hatrany ny vaovao.

Fantatra fa rehefa vita ny fanadihadiana rehetra dia haverina any amin’ny tompon’andraikitra mikarakara itony karazana biby itony ireto sokatra ireo alohan’ny hanaterana azy ireo any amin’ny faritra nonenany teo aloha.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici