Sotasota sa fikasàna hanafika mihitsy ? Fiara mpitatitra iray mampitohy ny renivohitra amin’ny kaominina Ivato iny, handeha hiasa maraina no niharan’ny sakan-dalana tetsy Mamory Ivato, omaly tokony ho tamin’ny efatra ora sy sasany maraina. « Andian’olona maromaro izy ireo, izay efa misy mamomamo no nanakana ity taxi-be ity. Raha ny filazan’ny mpamily araka ny fitoriany dia miisa teo amin’ny valolahy teo izy ireo » hoy ny fanazavana azo avy amin’ny Lehiben’ny zana-tobi-paritry ny zandary Mandrosoa Ivato, miandraikitra ny raharaha. Tora-bato tsy an-kijanona no nampijanona ilay taxi-be ary nipoitra avy tany anaty maizina tany ireto andian’olona ireto. Ilay mpamily avy hatrany no nataon’ireto olona ireto lasibatra. Rehefa avy norahonan’izy ireo, hiala teo ambony familiana dia nomen’izy ireo ny totohondry nony avy eo. Na dia teo aza anefa izany dia tsy nety niala ity farany. Tamin’io fotoana io moa, voalaza fa sendra nisy miaramila tao anatin’ilay fiara mpitatitra. Ity farany no nilaza tamin’ny mpamily ny hitondra ny fiara avy hatrany ho eny amin’ny Escapara (escadron parachutiste). Izay toe-javatra izay moa no nampitsoaka haingana ireto andian’olona ireto. Nandray ny andraikiny ihany koa, taorian’izay ireo zandary teny an-toerana, rehefa nampandrenesina sy nampahafantarana ny zava-nisy. Efa eo am-pelatanan’ireo tompon’andraikitra araka izany ny raharaha ary efa nisy ny famotorana ary efa mandeha ihany koa ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto, raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L