Ny alahady lasa teo, mpanondrana harenam-pirenena an-tsokosoko indray nosaron’ny pôlisy misahana ny sisin-tany sy ny habakabaka. Miisa efatra izy ireo, no voarohirohy amina resaka fanondranana sokatra. Terantany Malagasy ny telo ary, terantany vahiny kosa ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto. “Ny 17 desambra 2017 maraina tamin’ny fiaramanidina mampitohy an’I Madagasikara sy Guangzou zotra MD 018 dia nahazo vaovao ny Polisy miasa ao amin’ny PAF fa nisy sokatra tafiditra ao anatin’io fiaramanidina io. Natao ny fitsirihana ilay fiaramanidina ka hita tao ambany seza ilay valizy nisy sokatra. Natao ihany koa ny fikarohana sy fitadiavana ireo olona ka tra-tehaka ny olona telo ka ny iray mbola hifampitadiavana : teratany sinoa ny iray ka teratany Malagasy ny roa izay saika hitondra ny sasany raha mpiray tsikombakomba kosa ny ambiny. Sokatra miisa 13 no tra-tehaka ka Angoroka ny efatra. Avy any amin’ny faritra Toliary sy Majunga ireto sokatra ireto izao saika haondrana any Sina izao” hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena. Ny zavatra nahazendana teny an-toerana dia asa na inona no nahazo ity terantany vahiny ity fa niezaka nandratra tena ny anao lahy. “Nandritra ny fotoana nisamborana ity sinoa ity dia niezaka nanohatra sy nitrohatra mafy izy, ka nakapony tamin’ny goudron sy tamin’ny rindrina ny lohany izay niteraka ny faharatrany” hoy hatrany ny fampitam-baovao. Fantatra tokoa mantsy fa tsy vao izao ireto olona ireto no efa mpanao ity afera maloto ity fa efa fanondranana faninefany ity nataon’izy ireo ity , ary dia izao tratra izao. Mbola misy moa ireo olona mpiray tsikombakomba amin’izy ireo no mbola karohina amin’izao.
m.L





