- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Teratany vahiny nahatratrarana « heroïne » 280g

Ivato : Teratany vahiny nahatratrarana « heroïne » 280g

Saika handeha hiondrana amin’ny fiaramanidina, hizotra ho an’ny Seychelles ity teratany vahiny ity no voapaingotry ny pôlisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alahady teo. Nahatratrarana fonosan-drongony vovony mahery vaika, “heroine” tany aminy tamin’io fotoana io. “Tamin’ny 6 ora hariva, nampiahiahy ny fihetsiny ka nosamborina avy hatrany izy. Rehefa nosavaina izy dia nahitana “heroine” milanja 280g tao anaty kirarony ” hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Araka ny vaovao hatrany dia nilaza ity teratany vahiny ity fa saika hoentiny any amin’ny lehibeny any Seychelles ity fonosan-drongony mahery vaika ity. “Nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana teny amin’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy izy. Tamin’ny fanadihadiana azy dia nilaza izy fa tsy azy ireo Heroine ireo ary nirahina fotsiny izy haka azy io aty Madagasikara”. Araka ny filazan’ity olona voasambotra ity hatrany, tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana dia teratany afrikanina no nanome azy ireto rongony ireto. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity olona tratra nitondra rongony ity. Inoana fa efa mandeha ihany koa angamba ny fikarohana ity voalaza fa teratany afrikanina, mpanamparitaka ity rongony mahery vaika ity eto amintsika.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici