- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversIvato : Toeram-pisotroana toaka sy fanjifàna rongony

Ivato : Toeram-pisotroana toaka sy fanjifàna rongony

Rongony manodidina ny 16 fonosana teo no tra-tehaky ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina tao amin’ity « bar » iray tetsy Ivato Tsena, ny andron’ny alatsinainy lasa teo. Araka ny fanazavana azo dia efa nahazoana fitairanana avy tamin’ny olona teny an-toerana ity toeram-pisotroana iray ity, satria misy mivarotra rongony ihany koa ao aminy. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo pôlisy avy ao amin’ny Stup, nanamarina ny vaovao azon’izy ireo, afak’omaly, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any. Vokany, olona iray no voasambotra ary nahitàna rongony fonosany maromaro tokoa tamin’ilay « bar ». Nentina avy hatrany natao famotorana teny anivon’ny biraon’ny pôlisy moa ilay tovolahy, voarohirohy tamin’ireo fivarotana rongony ireto. « Nanambaran’ity tovolahy ity tamin’izany fa vehivavy iray no tompon’ireo rongony ireo ary hapetrany ka rehefa misy mividy dia tonga ity vehivavy ity maka izany ». Tsy vitan’izay fa « mbola fantatr’ity tompona trano fisotroana ity ny fisian’ireo rongony ireo sy ilay mpivarotra » hoy hatrany ny fanazavana azo. Tamin’ny fotoana nidinan’ireo pôlisy teny an-toerana moa dia fantatra tsy mbola tao an-toerana ilay vehivavy voalaza fa tompon’ireo rongony ireo. Mbola eo am-pikarohana izany olona izany ireo pôlisy ho amin’ny tohin’ny fanadihadiana. Ilay tovolahy kosa natolotra avy hatrany teny anivon’ny Fampanoavana omaly.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici