- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Tovolahy maty nisotro poizina

Ivato : Tovolahy maty nisotro poizina

Lehilahy iray manodidina ny 24 taona eo ho eo no hita faty tetsy Ankadindravola Ivato, ny faran’ny herinandro lasa teo. Teny amorona tanimboly tsy lavitra ny tanana no nahitàna ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity. Na dia voalaza aza aloha fa efa mihalefy ny pesta dia mbola manarahin-tsaina sy nampisy fahatahorana teo amin’ny olona teny amin’ny manodidina ny fahenoana fa misy faty olona mitsirara tsy lavitra eny. Na izany na tsy  izany, dia tsy ilaozan’ireo lian-javatra ny olona ka nisy ihany ireo sahy nanatona izany. Nisy ampahany tamin’ireo mponina ihany koa avy hatrany dia nampilaza ireo tompon’andraikitra teny an-toerana, izay tsy niandry ela fa avy hatrany dia nilatsaka teny amin’ny toerana nahitàna ity lehilahy efa tsy nisy aina intsony ity. Tamin’ny fitsirihana izany, no fantatra fa toa hoe nisy tavoahangy roa teo akaiky : ny iray nisy sisana ranomboakazo ary ny iray kosa, voalaza fa nisy poizina. Ny fitsirihana manokana nataon’ireo mpitsabo teny an-toerana moa no nahafantarana fa tena avy nisotro sa nampisotroina poizina ity lehilahy. Antony izay azo inoana fa nahafaty azy. Hatreto dia mbola tsy fantatra na nisy namono na namono tena ity tovolahy ity. Ny filazan’ireo mponina teny an-toerana anefa dia toa mandroso amin’izay hoe famonoan-tena izay. Araka ny fantatra mantsy dia toa hoe manana olana ara-tokantrano ny tenany, ary efa ny omalin’ny nahitàna ny vatana mangatsiakany io izy no tsy hita sy tsy nody tany an-tranony. Na izany na tsy izany anefa dia efa niroso tamin’ny fanadihadiana mahakasika ity fahafatesana hafahafa ity ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Ny razana kosa, rehefa avy notilian’ireo tompon’andraikitra amin’izany dia natolotra ny fianakaviany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici