- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversIvato Tsena : Andian’olona manangona karam-panondro, milaza fa afaka manome tany

Ivato Tsena : Andian’olona manangona karam-panondro, milaza fa afaka manome tany

Fokontany maro teto an-drenivohitra no efa notetezin’izy ireo ary vola tsy toko tsy forohana no mety efa azony tamin’ireo lasibatra. Teny Ivato, fokontany farany nalehan’izy ireo no nahavaky barara ny lainga tsara lahatra, nataon’ireo mpisoloky ireto. Zovy tokoa moa tsy ho liana amin’ny resaka tany, indrindra fa hoe karazany ny omena maimaim-poana, amin’ny vola zara raha misy ? Izay toe-javatra izay no nohararaotin’ireo olon-dratsy entina hanambakana ireo izay manaiky ho voarebirebin’izy ireo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia olona anaty fikambanana, iraka avy any amin’ny Prezidansa hizara tany izy ireo, entina handresena lahatra ireo lasibatra, ary tena maro tokoa ireo roboka. Tsy ny teny amin’iny faritra Ivato iny ihany, izay nahasamborana azy ireo fa eny faritra maro no notongavan’ireto olon-dratsy ireto. Teny Antohomadinika, Andoharanofotsy, Ankadikely Ilafy, Ambohimanarina, ary fokontany maro samihafa, hoy ny hatrany ny vaovao. Tetik’ady entin’izy ireo amin’izany ny hoe fahazoana tany 100 ara amin’ny alalàn’ny vola kely aloha fandraisana anjara, fananonganana karam-panondro, sary tapaka, sns. Somary nampiahiahy ny mponina teny amin’iny faritra Ivato iny ny fihetsik’ireto olona ireto, eny fa na dia tena mandresy lahatra aza ny zavatra nataony. Nidina an-tsehatra avy hatrany ihany koa ny zandary avy ao Ivato, avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo, ary nanokatra ny fanadihadiana. Fantatra tamin’izany fa tsy misy tetik’asa fahazoana tany izany avy eo anivon’ny Prezindasa. Nosamborina avy hatrany ireo lohandoham-pisorona tao anatin’izany fikambanana misandoka izany. Olona efatra izy ireo aloha, raha ny voalaza. Nandritry ny fisamborana kosa no nahitàna karampanondron’olona efa voangon’izy ireo marobe, niaraka tamin’ny antonta-taratasy hafa : CIN miisa 145, dika mitovy CIN miisa 389, sary tapaka 336 ary vola maromaro. Ny avy eo anivon’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandary, etsy Fiadanana moa no miandraikitra ny tohin’ny raharaha sy ny fanadihadiana rehetra. Izy ireo, izay miantso ireo olona lasibatra tao anatin’izao mba hanantona eny anivon’ny zandarimariam-pirenena.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici