Ny alarobia lasa teo, valizy diplômatika ana tera tany vahiny, tonga teto amintsika mahakasika ilay fivorian’ny Comesa, no very nisy nangalatra, tetsy Ivato. « Modem » iray, finday avo lenta, ary solosaina iray no tao anatin’ity valizy ity. Araka ny fampitam-baovao azo, dia fantatra tamin’ny alàlan’ny « camera de surveillance » ireo olona nangalatra ireo. Nigadona teo an-tanindrazana ity teratany vahiny ity, niaraka tamin’ny olona telo hafa ny alarobia antoandro lasa teo. Nandeha nisakafo tao amina fivarotana « pizza » iray teny an-toerana izy ireo ka raha variana nihinan-kanina no lasan’ireo mpangalatra ilay valizy diplômatika. Nanatona ny tomponandraikitra avy hatrany ilay teratany vahiny, ka tamin’izany no nahitana ireto telovavy teo am-pangalarana izany, tamin’ny alàlan’ny « camera ». Efa mandeha moa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireto telo vavy ireto raha ny vaovao avy tamin’ny zandary misahana ny raharaha eny an-toerana.
m.L