Nilaza i Zidane fa mpitarika mpizaha tany (guide touristique) kanjo izy ity mpanendaka. Saingy tsy fanendahana mivantana no ataony fa tena manao ny asa izay voalaza etsy ambony izy ary toy ireny matihanina ireny. Ny tanjony anefa dia ny haka ny fananan’izay vazaha entiny. Nandeha araka ny tokony ho izy ny drafitra napetrak’ilay olon-dratsy mandra-pahatongany teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato. Teny an-toerana dia nisy nahafantatra avy hatrany fa tsy mpitondra mpizaha tany izany i Zidane. Teo no mailo avy hatrany izy ka nanao tari-dositra niala teo an-toerana. Na izany aza anefa dia mbola vitany ihany ny naka ny fananan’ilay vazaha. Lasa tamin’izany ny karatry ny banky, ny vola devizy mitentina 80 euros, ny karatra fahafahana mitondra fiara ary koa ny paoketra fasiana vola. Ankona tanteraka ilay vahiny tamin’ny zavatra nanjo azy. Soa aza fa mba tsy lasa tany ihany koa ny tapakilan’ny fiaramanidina ny sy pasipaoro. Mba afaka nandeha tamin’ny zotra izay voatondro ihany izy saingy niaraka tamin’ny hakiviana sy ny sary ratsin’ny Nosy notsidihany. Betsaka ny kisary izay ratsy tato ho ato teny amin’ny seranam-piaramanidina. Raha mbola tsy voafafa akory ny naha-dibo-drano ny toerana dia efa misy koa ny vazaha voaendaka. Ny fanorana kely majinijinika izay olona be entana, efa odian-tsy hita intsony. Betsaka ny fitarainana momba ity seranam-piaramanidina izay tsiahivina ihany fa fitaratra voalohany hitarafan’ny mpizaha tany ity firenena ity. Mila fieritreretana satria raha eo dia efa manana laza ratsy ny firenena, marobe ny voka-dratsy haterak’izany, indrindra ho an’ny sehatry ny fizahan-tany izay efa hisokatra tsy ho ela ny vanim-potoanany.
D.R