Ny alakamisy teo no nosamborina ity ramatoa iray mpivarotra rongony. Olona tsara sitrapo no nanome ny vaovao, ka nampandre ny polisy misahana ny ady amin’ny zavamahadomelina(stupéfiant) etsy Anosy fa misy vehivavy 31 taona monina eny Iv ato mivarotra rongony eny an-toerana. Avy hatrany dia nidina teny an-toerana ny polisy ny 12 jiona maraina ka tratra teo am-pivarotana rongony ity ramatoa, ka tratra teny aminy ihany koa ny rongony 219 fonosana. Niteny moa ity ramatoa fa ramatoa mipetraka eny Ampasika no fividianany ny rongony hamidiny. Natao avy hatrany ny vela-pandrika ka nosamborina ity farany, saingy ny vadiny no tratra tao an-tranony ary tsy nahitana na fonosana rongony iray ary tao tamin’ny fisavana izay natao.
Soavimasoandro. Vehivavy iray hafa ihany koa no tratra nivarotra rongony. Polisy misahana ny ady zava-mahadomelina no nisambotra vehivavy iray mpivarotra rongony tetsy Soavimasoandro ny alarobia hariva teo. Mbola tratra niaraka taminy ihany koa ny abina rongony 200g. Tsy nety nilaza izay toerana na olona mpamatsy azy moa ity ramatoa fa ny nambarany dia hamidiny 400 ar ny iray fonosana ary efa ho herin-taona izao no nanaovany ity asa ity.
Mirongatra tokoa ny famarotana rongony tato ho ato izay tena mamely ny tanora tokoa satria io no anisan’ny sakana izay mahazo ny tanora maro ankehitriny, ka lasa zary miakin-doha aminy vao mahavita ny asa.