- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Vehivavy naboridana, novonoina nasitrika tanaty rano

Ivato : Vehivavy naboridana, novonoina nasitrika tanaty rano

Habibiana! Vehivavy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no hita faty, teny amin’ny « bout de piste » Ivato, omaly maraina. Tsy nisy afa-tsy tanti-nono sisa hita teny aminy, ary naratradratra ny tao amin’ny lamosiny. Raha ny vaovao azo, dia novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina izy, ary navela teo ny vatana mangatsiakany nony avy teo. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no nampandrenesin’ny fokonolona ny zandarimarim-pirenena teny Ambohidratrimo, ny mahakasika ny fahitana razana ity. Teny ivelan’ny faritry ny seranam-piaramanidina moa no nahitàna azy ireo araka ny fantatra. Ny fidinana ifotony teny an-toerana nataon’ireo mpitandro filaminana no nahitana, fa niboridana tanteraka ilay vehivavy, ary tsy misy afa-tsy ny takon-kenatra ambony sisa no teny aminy. Na izany aza, hita, tsy lavitra teo amin’ny toerana nisian’ny razana ireo pataloany sy ny akanjo amboniny. Niharan’ny fanolanana sy famonoana avy hatrany no nalehan’ny sain’ireo mpanao fanadihadiana. Rehefa notilian’ny mpitsabo anefa, dia fantatra fa tsy nisy akory izany fanolanana izany, saingy  maty novonoina kosa izy io.  Nasitrika tao anaty rano ary nosemporina tao, mandrapaha-tapitry ny ainy ka tsy fantatra hatreto na rano taiza na rano taiza. Raha ny filazan’ireo mpitsabo tonga nitily ny razana, dia efa novonoina tany ho any izy io ary naterina teo amin’io toerana io fotsiny. Tsy misy mahafantatra azy rahateo ireo mponina teny amin’ny manodidina. Ny hany fantatra ihany koa, dia nentina fiara ity vehivavy ity. Nisy dian-kodiarana nidrisina tamin’ny tany mantsy tsy lavitra teo, toy ny ireny maika handeha hiala ireny. Navoaka avy tao anaty fiara, ary notaritarihina nihazo ilay toerana nahitan’ny fokonolona ny vatana mangatsiakany. Antony izay nisian’ireo dian-dratra marobe teo amin’ny lamosiny. Efa naterina any amin’ny tranom-paty moa ny razana ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiany ireo zandary. Marihana, fa tsy nisy taratasy azo namantarana ity tovovavy hita faty ity tany aminy. Nisy soratra « mari mar » fotsiny teo amin’ny tanany ary mitondra « bracelet » Vita Malagasy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici