- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Voasambotra ireo olona efatra nandroba 3 tapitrisa ariary

Ivato : Voasambotra ireo olona efatra nandroba 3 tapitrisa ariary

Nahitana vokany ny fanadihadiana natoan’ny zandary teny amin’ny faritr’Ivato. Fantatra mantsy izao fa olona efatra no nosamborina taorin’ilay fandrobana teny Ankadindravola Ivato niseho tamin’ny faha-13 jona lasa teo. Raha tsiahivina ny zavatra niseho tamin’izay fotoana izay dia tonga ny andian-jiolahy voalaza fa enina. Ny mpiambina no tratran’izy ireo voalahany. Nafatotra io mpiambina io ary tsy afaka nanao na inona na inona. Niditra an-keriny tao amin’ilay trano ireo jiolahy ary dia nanao izay daniin’ny kibony. Lasany tamin’izany vola be mitentina hatrany amin’ny 3 tapitrisa ariary mahery, ny finday sy ny entana tsara rehetra tao an-trano. Raha vao nahazo an’izany ry zalahy dia rifatra nandositra. Nisy ihany anefa tetsy andainy, mpira-monina nampandre ny mpitandro filaminana mikasika izao fandrobana izao. Rehefa teny an-toerana ny zandary dia nanao ny famotorana rehetra. Afaka andro vitsy, voasambotra ny olona iray. Nofotorana izy io ary dia nanondro ny namany. Hatramin’izao dia olona efatra no nosamaborina ka vehivavy ny iray. Vokatr’izany fandihadiana izany no nahafantarana fa mpihavana akaiky, na ny marina kokoa, “cousine” an’ilay voatafika ihany ny iray tamin’ireo voasambotra. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy efatra mianadahy ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser