- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Volamena 3kg600 saika haondrana an-tsokosoko, saron’ny zandary

Ivato : Volamena 3kg600 saika haondrana an-tsokosoko, saron’ny zandary

Efa ela ity lehilahy iray, teratany malagasy ity no efa narahin’ireo zandary avy ao amin’ny kaompania Ivato Seranana maso. Efa nisy mantsy, hoy ny fanazavàna azo, ny angom-baovao azo mahakasika azy sy ny amin’ny fanondranana harem-pirenena miafina. Tao anatin’ny fisavàna ireo entana fitondra an-tanana farany, teo am-pidirana ny fiaramanidina no saron’ny zandary ny valizy misy volamena miafina. Milanja eo amin’ny 3kilao sy sasany mahery kely ireto bolangam-bolamena saika haondrana an-tsokosoko ireto. « Ny talata teo, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany teo, no nahatratrana an’ity lehilahy ity, teo am-pisavàna ny entany », hoy hatrany ny fanazavàna. Sidina an’i kaompania Airlinks, ho any Johannesbourg no saika niondranan’ity ranamana ity. Avy hatrany moa dia nopaingorina ity farany ary nentina tany amin’ny biraon’ny zandary nanaovana fanadihadiana, raha nogiazana avy hatrany kosa ireo bolangam-bolamena. Ny zandary avy amin’ny vondron-tobim-pileovana Analamanga, miaraka amin’ny kaompania Ivato no misahana izany, araka ny fantatra hatrany. Hatreto dia mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka izy ireo. Tsy fantatra araka izany na voairaka ity farany na azy manokana ireto volamena be ireto. Tsy fantatra araka izany ihany koa hoe iza no ambadika, na iza no mpampaniraka ary saika hamidy amin’iza. Somary mampametra-panontaniana ny maro ihany ny hoe, nahoana no efa eny an-dalana hiditra ny fiaramanidina vao sarona ireto harem-pirenena ireto, kanefa raha ny fantatra dia toa mandalo fisavàna maromaro ihany alohan’ny hahatongavana eny. Inoana fa isan’ny tafiditra ao anatin’ny fanadihadian’ireto zandary ireto izany. Ny lesoka toy izany tokoa mantsy no antony mahagaboraraka ny fivoahan’ireo harem-pirenena tsy tambo isaina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici