- Publicité SW45 -
lundi, octobre 7, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Volamena 500 grama sarona omaly

Ivato : Volamena 500 grama sarona omaly

Mbola mitohy hatrany ny fanondranana volamena. Manao izay ho afany ihany anefa ny mpitandro ny filaminana manoloana an’izany rehetra izany. Omaly dia volamena antsasa-kilao no saron’ny pôlisy tetsy amin’ny seranam-piaramanidina nanditra ny fisavana. Teratany malaiziana no sarona nitondra an’izany ary nataony tao anaty entana mandeha any amin’ny “soute”. Hita nandritra ny fitsirihana anefa izany, raha araka ny loharanom-baovo etsy Ivato. Saika nandeha tamin’ny sidina “air mauritius”, mandalo ny Nosy Maurice ary mizotra ho any Malaysie ilay vahiny. Valizy roa no nanaparitahany ireo volamena ary nataony tao anaty tavoahangy izany, raha araka ny fantatra. Tavoahangy fanasiana divay ary nifangaro tamin’ny divay nisy akora hafa, asa entina hanafenana ireo volamena mba tsy ho hitan’ny fitiliana angamba no tanjona. Efa tany amin’ny efitra fiondranan ilay rangahy 32 taona no nasaina nivoaka ary nohadihadiana. Ny sampandraharahan’ny  “douanes” no nandray azy ary ho hita manaraka ihany ny ho fivoaran’ny fanadihadiana. Tsiahivina fa mitentina 110.000 ariary ankehitriny ny vidin’ny grama amin’ny volamena. Miakatra kely aza izany amin’ny varotra iraisam-pirenena. Manazava ny fahatongavan’ny vahiny sasany eto amintsika izany, izay tsy fizahan-tany velively fa hanao afera fotsiny ny anton-dia…

D.R

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser