- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Zandary nitifitra ny tenany sy ny vady aman-janany

Ivato : Zandary nitifitra ny tenany sy ny vady aman-janany

Mampivarahontsana ! Aina efatra be izao no nafoy tao anatin’ny indray alina monja, ny alakamisy hifoha zoma teo. Zandary fototra kilasy ambony iray no nahavita nitifitra ny vady aman-janany : ny vadiny sy ny zanany roa lahy, fito taona sy roa taona, tamin’io alina io. Nony vitany izay zavatra izay dia nitifi-tena ny lehilahy. Maty …

Tsy tafiditra velively ao anatin’ny fanatanterahan’ny asa maha-zandary azy izao zava-nitranga izao fa tena azy manokana” hoy ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenana. Mpiambina ny toby, misy ireo “Hery manokana” (CFS) eo anivon’ny zandary, eny Ivato ity farany, ary niandry raharaha ny tenany tamin’io fotoana io. “Nisy dia nalehan’ireto vady aman-janany ireto ary nony tonga ireo dia nangataka ny hanatitra azy vetivety izy, rehefa avy niera tamin’ny lehibeny. Ny tranony rahateo, tsy lavitra ary mifanila tsara amin’ny toby, tsy misy tamboho akory manasaraka izany”, hoy ny fanazavana azo. Tao anatin’izay fotoana izay no nitranga ny tsy nampoizina satria dia feom-basy maromaro no heno, ary efa rà mandriaka sy faty efatra nivalampatra no novantanin’ireo tonga voalohany tao an-tranony, nijery ny zava-nisy. Ny angom-baovao voaray moa no nahafantarana fa fifamaliana teo amin’izy mivady no mety ho antony nahatonga izao loza mahatsiravina izao. Heverina ho tsy nahatana ny hatezereny ity mpitandro filaminana ity ka namoaka ny basy tany aminy, nitifitra avy hatrany an-dramatoa vadiny sy ireo zanany ary nitifitra ny tenany nony avy eo. “Tsy mamo velively izy, nandritry ny fanantanterahany izay zavatra izany” raha ny loharanom-baovao azo hatrany.

Taorin’ny tranga moa dia efa nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana sy ny famotorana mahakasika ity tranga ity ary ny vondron-tobim-paritry ny zandary Ambohidratrimo no miandraikitra izany. “Ny Fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena dia mampanantena fa hitondra vaovao feno hoan’ny rehetra rehefa vita ny famotorana” araka ny hita teo amin’ny pejy ofisialin’ny zandamariam-pirenana ao anaty tambajotra sosialy.

Ny tranga toa izao tokoa no  mampametram-panontaniana ny maro, ny amin’ny fomba handraisana sy hisavànana ireo olona hitandro filaminana sy hitàna basy. Raha ny marina mantsy dia olona mafy ara-tsaina ary efa voasedra alohan’ny handraisana azy ka tsy tokony ho ketraka amin’ny olana manokana mianjady, handraisany sy hampiasàny mora foana ny fitaovam-piadiana eny an-tanany, amin’ny zavatra hafa tsy tokony hampiasàna izany. Indrindra moa fa hoe anisan’ireo mpitandro filaminana voafantina manokana handrafitra Hery manokana izy ireo. Tsiahivina mantsy fa ny taona 2014 dia efa nisy zandary avy ao amin’ity Hery manokana eny Ivato ity ihany koa no maty nitifi-tena tahak’izany, teny an-toerana. Mbola resaka  azy manokana, olana tao an-tokatrano ihany koa no nahatonga izay zavatra izay.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici